Jiona 11th, 2011 by ravatorano
Araky ny hitako amin’ilay gazety mpivoaka isan’andro iray izay dia hihemotra rahampitso indray ny fanomezana ny valin-tenin-dry zareo SADC.Izany hoe mihemotra lava izao sa izy koa efa zatra ilay moramora malagasy.Ity koa anefa aza hadino fa tmain’ny fivorian’ny parlementera eropeanina farany teo dia mbola manameloka ny fitondrana Avon’ny tetezamita zareo ary koa dia mitaky ny fampiharana ny dinan’i Cotonou.
Misy mihevitra fa ilay posan-kevitra avy amin-dry zareo eropeanina teo mety hampiova ny fihetsiky ny sadc ka nampihemotra izay fanampahakeviny.Inona no hiafaran izy ty fa tena efa sempotra taneraka ny vahoaka ary leo ny miandry lava izao.
Share This
Posted in Uncategorized | No Comments »
Septambra 17th, 2008 by ravatorano
Tany anaty taxibe aho no nandre ny vaovao omaly maraina raha nilaza ry zalahy ao amin’ny kidaoana maraina hoe maty i Rado.Taitra ihany ny tena ary tena nalahelo tokoa na dia hoe efa “nahavita ny fihazakazahany” aza izy amin ‘izao fiainana mandalo eto izao.
Tsy hay ny tsy hanoratra eto ny soa azo tamin ‘iny ray amandreny iny indrindra teo amin’ny fikajiana ny teny malagasy.Mbola kely aho dia efa nankafy ny tonokalo nosoratan’i Rado ary isan’ny poety malagasy ankafiziko izy miaraka amin’i Dox sy ny Avana Ramanantoanina ary Ranja Zanamihaotra.Mbola kely aho dia efa nahalala an ‘izany hoe Georges Andriamanatena izany tamin’ny alalan’ireo gazety HEHY nentin’i Dada isan’andro vakiana ao antrano fa sady fialam-boly no fanitaran-tsaina.
Efa taty aoriana efa nahazo taona koa ny tena vao mba nahita maso sy nifanatrika taminy ary dia tena tsaroako tokoa izay andro izay satria olona lehibe eo amin’ny asa soratra malagasy no tojo ny tena ary niresaka tamin’ny tena izao momba ny ho avi’ny teny malagasy raha sendra namoaka ny bokiny “ZO” izy.Tamin’izany no nahitako fa olona mafinaritra izy,azo ifampiresahana tsara ary tsy mitsahatra mihitsy ny manome lesona na anatra momba ny fikajiana hatrany ny teny malagasy mba “hananatsika ny maha isika antsika” .
Miombona alahelo amin’ny fianakavaiana manontolo ny tenako sy ny fianakaviako ary tombon-dalana ihany ny azy da samy mbola handia izany fahafatesana izanya vokoa isika
Ny vatany no ho lo
ny soratanany hijanona
ho lova tsy manampaharoa
hanbeazana ireo taranaka ho vanona
Mandrià ampiadanana ianao ray amandreny RADO
Share This
Tags: Add new tag
Posted in Uncategorized | No Comments »
Septambra 17th, 2008 by ravatorano
Welcome to Blaogin’ny Namana Serasera. This is your first post. Edit or delete it, then start blogging!
Share This
Posted in Uncategorized | 1 Comment »